Tena mikorontana tanteraka ny firenena ankehitriny. Nazava ny didy navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny 25 mey lasa teo.
Tao anatin`izany dia nisy ny fametrahana praiminisitra ary nisy ihany koa ny fametrahana ny governemanta ka tafiditra ao anatiny daholo na ny HVM, izay ho an`ny fitondrana, ny TIM ary ny Mapar. Fa inona no nametrahana praiminisitra sy governemanta vaovao ? Fanontaniana manitikitika ny maro ireo ary nanasan`ny Gazety Tia Tanindrazana ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza, raha misy zavatra azony ambara mikasika izany.
Tia Tanindrazana (T.T) : Fifanarahana politika ve no nametrahana ny governemanta ? Niandry ny folo andro sa ny andininy 54 izay napetraky ny lalàmpanorenana ?
Imbiky Herilaza (I. H) : Ny lalàmpanorenana sy ny lalàna no entina handaminana ny fiainam-pirenena. Ireo rafitra rehetra misy eto anivon`ny tany sy ny repoblika ary koa handaminana ny fiainan`ny vahoaka malagasy. Raha ny filazan`ny rehetra dia avy amin`ny Mapar ny praiminisitra vaovao ka ny and-54 izany no narahina. Raha dinihana mantsy, tsy nisy ny fifanarahana ara-politika hatreto satria matoa tsy navoaka ampahibemaso, tokony ho napetraka tany amin`ny HCC ary natao fantatra mazava ny zavatra nofonosiny, ny zavatra nampiharina, ny olona voakasika nanasonia an`ilay fifanarahana ara-politika. Hitantsika fa ny filohan`ny tetezamita teo aloha, rehefa nivantana tamin`ny haino aman-jery tsy miankina iray ny alahady lasa teo, dia somary tsy namaritra mazava tsara hoe inona marina ny fifanarahana ara-politika. Ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, nilaza ihany koa fa tsy nanasonia an`ilay fifanarahana ara-politika. Ny filoha Rajaonarimampianina kosa nandritra ny fametrahana ny governemanta vaovao dia nilaza fa nisy ny fifanarahana ara-politika. Zavatra tsy mety izany satria fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna rehetra eto amin`ny tany sy firenena ary toa miantona daholo. Toa fifanarahana any ambadika any fotsiny no hitondrana ny tany sy ny firenena. Aza adinoina anefa fa ankoatra ireo “forces politiques” goavana dia misy ihany ireo “forces vives” izay hampitahotra eto amin`ny tany sy ny firenena, indrindra ireo vahoaka entina izay antom-pisiana sy ny zavatra rehetra. Ny fanitsakitsahin`ny lalàmpanorenana dia hitondra antsika any amin`ny anarchie raha tsy mitandrina.
T.T: Ka lalàna ve ny fifanarahana ara-politika ?
I.H: Raha misy izay fifanarahana izay dia tsy lalàna io eto amin`ny Repoblikan`i Madagasikara satria tokony ho nampidirina ho lalàna izany vao azo hampiharina amin`ny rehetra. Tadidio koa fa ilay fifanarahana anie dia “contextuel” izay entina hamahana fotsiny ny krizy. Ho tapitra izao ny fe-potoana itondran`ny filohan`ny repoblika ka tsy maintsy hiditra isika na ho ela na haingana amin`ny fifidianana. Mipetraka izany ny olana tamin`ilay lalàm-pifidianana teo. Rehefa nilaza ny HCC fa misy tokony hamboarina ilay izy dia nataon`ny filoham-pirenena “promulgation” ireo ary tsy nandalo teo anivon`ny parlemantera. Izany hoe tsy fantatra mazava hoe mifanaraka tamin`ny voalazan`ny HCC ve ireo zavatra “promulguè” ireo. Betsaka ny zavatra tokony hamboarina sy hasim-panovana ary tokony hatao “mise en conformitè ” tamin`ny didy navoakan`ny HCC no be dia be no tsy mbola nisy. Io lalàna io sy ny governemanta io ve no entintsika andeha hiditra amin`ny fifidianana ? Ny fametrahana ny lisi-pifidianana, ny isan`ireo biraom-pifidianana dia niteraka olana goavana be. Ahoana no nieritreretintsika fa sady efa fifanarahana ara-politika no hitondrana ny tany sy ny firenena ? Tsy mazava ny fepetra sy ny zavatra hitantanana ny fifidianana ho avy. Hino ve isika fa hisy fifidianana tena hitombona eo ? Raha ho vita io fifidianana io dia eken’ny rehetra ary tsy hitarika krizy goavana be ny valin’ny voka-pifidianana satria tsy feno ny fepetra idirana amin`ny valiny eken’ny ankabeazan`ny olona.
T.T: Inona izany no tokony ho laharam-pahamehana ?
I.H: Aleo miverina amin`ny fanajana ny lalàmpanorenana aloha izay tena fitsipi-dalao. Ny lalàna mifehy ny fifidianana dia mbola be ny tsy tomombana. Ny depiote rahateo efa niverina ihany tamin`ny nifidy ny “lois des finances rectificatives 2018” na LFR ka tokony hiverina an-dapa ihany satria mila amboarina ny lalàm-pifidianana mba hisian`ny marimaritra iraisana. Rehefa vita izany dia averina ny fanisana ny lisi-pifidianana sy fandinihana ny fametrahana ny biraom-pifidianana rehetra. Amin`izay vao afaka miteny isika hoe afaka hiara-kiasa ireo mpikamban`ny governemanta ka avy eo no miditra fifidianana rehefa hita hoe tomombana ireo. Ankoatr`izay, tsy azo adino fa nisy olona nitaky teo izay tsy olonolom-poana. Mety havitsiana izy ireo saingy nisy sendikà tao, nisy sarambabem-bahoaka nitaky ny zavatra takianay. Ny fahitako azy anefa toa tsy misy voavaly ny hetahetan`ireny. Mila mijery ihany koa isika fa ny ifotony na “refondation” ankoatra ny hiverenan’ny fifidianana, mijery ihany koa hoe mamaly ny hetahetan`ny vahoaka Malagasy, na koa ireo mpiasam-panjakana hoe toy izao daholo no zavatra mbola hatsaraina fa tsy hoe sanatria atao tohatra fiakarana izy ireo ka vita iny zavatra iny ka eo ihany ny hetahetany dia mbola hitarika zavatra hafa any aoriana any.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.