Mbola maro raharaha tsy manjary eto amin’ny firenena izay mahatonga ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana intsony.
Izany antony izany no manery ny mpanao politika manam-piniavana hampandroso marina hihetsiketsika sahady amin’ny fanomanana ny fifidianana manaraka. Marefo ihany koa ny firenena satria vao nivoaka tetezamita ka tsy mora mihitsy no miditra amin`ny Repoblika vaovao sady sarotra no miala amin`izany tetezamita izany, hoy Imbiky Anaclet, minisitry ny fitsarana teo aloha. Manjaka loatra ihany koa ny fahalovana sy ny kolikoly amin`ny sehatra rehetra na amin`ny ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Mahakasika ny fifidianana indray dia tokony ho laharam-pahamehan` ireo kandidà ny ady atao amin`ny kolikoly satria manjaka be loatra izany ary tsy misy intsony ny fifampitokisana sady miteraka tsy fahatokisana amin`ny tompon’andraikitra. Tokony himasoana ihany koa ny fifamelan-keloka satria hanao fampihavanam-pirenena. Ny fampihavanam-pirenena dia tsy midika hoe avela amin`izao ireny raharaha ireny. Zava-dehibe io fampihavanam-pirenena io, hoy ity minisitra teo aloha ity, kanefa tsy mahafehy ny lafiny amin`izany isika sady misy ihany koa no tsy mampiseho fahavononana satria ilaina ny famelan-keloka sy fifamelan-keloka. Hitondra vahaolana, fitoniana, hametraka fenitra ny demokrasia… izany raha tena mampiseho fahavononana hampandroso ny firenena ireo kandidà ho filoham-pirenena kanefa tsy hisy kosa ny filaminana raha tsy tanteraka izany, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.