Tsikaritra tato anatin’ny herinandro izao fa manomboka mampitovy tadin-dokanga amin’ny HVM indray ny vondrona Mapar ka nanamafy mihitsy fa vonona ny hiditra ao anatin’ny governemanta.
Ny talata lasa teo dia nilaza ny filoha Rajaonarimampianina fa hoeritreretiny ny mety ho fanovana ny governemanta raha toa ka ilaina marina ho amin’ny tombontsoan’ny firenena izany. An-kilan’izay, mifandimby miteny ireo solombavambahoaka Mapar fa tena mety ny hananganana maro an’isa vaovao eny amin’ny antenimieram-pirenena. Tampotampoka eo taorian’izay dia niantso ny maro an’isa amin’ireo depiote eny Tsimbazaza mba hanohana ny fandaharanasany ny filoham-pirenena. Somary nahagaga ihany koa fa nangina tsy nitabataba momba ny voka-pifidianana intsony ny Mapar sy ny mpiara-dia aminy, efa nilaza mihitsy izy ireo fa miandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy araka ny tenin’i Pierre Houlder. Milamina ny ao Fianarantsoa renivohitra ary azo heverina mihitsy aza fa efa manaiky ny fandresen’ny HVM ny Mapar. Tsy misy ny kisendrasendra na fifanandrifian-javatra amin’ny politika fa kajy sy paikady no atao. Mety efa mijery lavitra ary mibanjina ny fifidianana loholona sy indrindra ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ireto vondrona politika 2 ireto ka mety resy lahatra fa tsy maintsy mampitambatra ny heriny izy ireo satria mahatsapa fa mbola tena matanjaka sy manana ny maha izy azy ny TIM tarihan’i Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.