Politique

Hosoka momba ny fifidianana Manana hatramin’ny 10 aogositra izay hitory


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Hatramin’ny omaly alakamisy dia miisa dimy ny fitoriana tonga eo anivon’ny Fitsarana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina,

 

 mandray ireo fitorian’ireo kandida sy ny solontenany ary ireo nahita ny tsy nety nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo. Ny MAPAR sy ireo kandida tsy miankina no tena mpitory hatreto, ka ny tao Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Brickaville, Vatomandry, ireo nahatonga fitoriana ireo. Miaiky anefa ireo tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana fa tsy ampy porofo entina mandresy lahatra ny mpitsara. Maro amin’ireo kandida na ny solontenany na ireo mpanara-dia azy no be resaka amin’ny haino aman-jery fotsiny fa tsy sahy mametraka fitoriana ny amin’ireo tsy fetezana rehetra toy ny hala-bato lazainy fa niseho nandritra ny androm-pifidianana. Manana hatramin’ny 10 aogositra moa ireo kandida sy ny mpanara-dia azy hametraka fitoriana miaraka amin’ny porofo rehetra.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT