Politique

Holijaona Rabaona “Tsara avokoa ireo vina fa ny fanatanterahana no lesoka”


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Tamin’ny sabotsy 28 jolay farany teo no novelabelarina tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina ny maha samy hafa ny fandaharan’asa “Emergence” tamin’ireo tetikasa na vinam-piarahamonina (projet de Société) nisy teto Madagasikara hatramin’izay.

Nokarakarain’ny Jeune Emergence izay sampana ao amin’ny Emergence de Madagascar moa ny fikaonan-doha ary natao ho an’ireo tanora mianatra sy nivoaka teny amin’ny oniversite. Notanisaina sy nohazavaina tamin’ny antsipiriany ireo karazam-bina efa nisy sy nandalo teto amin’ny firenena. Nambara tamin’izany fa saika tsara daholo ireo tetikasa rehetra ireo saingy tany amin’ny fanatanterahana no lesoka, hoy ny filohan’ny vovonana Emergence Holijaona Raboana. Ankoatr’izay dia nohazavaina tao ny antony mahatonga an’i Madagasikara tafalatsaka anaty fahantrana lalina amin’izao fotoana izao. Rehefa izay dia natsingevana tao ny tombony sy izay ho fintraikany entin’ny Emergence ho an’i Madagasikara. Misy ny firehan-kevitra sy ny foto-kevitra ary ny planina izay entina hampandroso ny firenena ao anatin’ity vina Emergence ity. Araka izany dia miantso ny rehetra izay samy manana ny foto-keviny ijoroany ara-politika izy ireo saingy mitovy fomba fijery ny amin’ny fampandrosoana ny firenena mba hifandray tanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Tsiahivina moa fa ny fanarenana ny toekarena miainga amin’ny fanodinana sy ny fanondranana ny vokatra mankany ivelany sy ny fananganana sy fampiroboroboana ny Indostria Malagasy no fototra hiorenan’ny Emergence. Eo ihany koa ny fampandrosoana amin’ny alalan’ireo teknika manaraka ny toetr’andro ny sehatra fizahantany sy ny fambolena mba ahazoana hatrany ny tsena any ivelany.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT