Politique

Ho famotehana an-dRavalomanana Hampirisihana mafy hihavana Rajao sy Rajoelina


  • Zoma 29 Jona 2018

Mivoaka tsikelikely ny feo, fa misy ny vondron’olona Frantsay sy karana mikotrika sy mandrisika mafy an-dRajaonarimampianina sy Rajoelina hifanohana mafy handavoana an-dRavalomanana.

Tany amin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana, dia efa tao ambadiky ny famatsiam-bola tamin’izany ny karana sasany. Mpandraharaha mpanefoefo sy olona ambony no tena atidoha, ary resaka fiarovana tombontsoa mihoapampana sy fifehezana ny toekarena eto amin’ny firenena no antony. Mila olona azony baikoana sy atao saribakoly ireo, ka tsy mety amin’izy ireo i Marc Ravalomanana satria ahiana ho simba ny bizina. Vao fisokafan’ny orina AAA-Tiko aza, dia efa ireny niaraha-nahita ireny ny antsojay niseho volana vitsivitsy lasa izay, ka voalaza fa nisy ny karana nampiasa vola be mihitsy nigafiana ny AAA-Tiko. Tany amin’ny fisokafan’ity orinasa reharehan’ny Malagasy ity tany am-piandohana, dia efa nanahirana ny vahiny sasany ny firoboroboany. Vao mainka niitatra ny fahatezeran’ny karana sasany rehefa tonga ny Magro tamin’ny resaka fandraharahana, toy ny ara-bary satria izy ireo hatrany no nifehy an’io sy najakazaka sy nanao izay danin’ny kibony, toy ny resaka fanafarana tao anatin’ny 50 taona mahery. Niezaka mafy i Marc Ravalomanana nanamboatra ny lalana hahafahan’ny vokatra mivoaka, izay tsy nahafaly ireo mpanjakazaka tamin’izany, ary mety ho politika efa nokotrehana, ohatra, ny tsy fahavitan’ny RN44 mba tsy hivoahan’ny vokatra satria manimba bizina. Na i Andry Rajoelina na i Hery Rajaonarimampianina dia samy mety amin’ireo vahiny mpanjakazaka sy mihorohoro fatratra amin-dRavalomanana ireo, ka vola be no re fa hatosaka mba hahafaha-migafy ny tompon’ny Tiko. Misy ihany koa ny firenen-dehibe efa manara-maso akaiky ny kajy maloto eto, ary tsy hanaiky lembenana amin’ny fanjakazakana fahatany, ka hanakonana ny demokrasia sy tena safidim-bahoaka. Miasa ny fidirana an-tsehatry ny firenen-dehibe na ilay antsoina hoe: “Géo-politique” amin’ity fifidianana ity, ka dia miandry izay tena hiseho ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT