Politique

Hifandrombaka hamita-bahoaka !


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Antomotra ny fotoana hahafahan’ireo mpanao politika sy olona mihevitra ny hirotsaka ho kandida filoham-pirenena satria iray andro sisa dia hisokatra ny fandraisana dosie.

Mirarakopana ny fanehoan-kevitra ary toa samy milaza ho zavatra sy tena tia tanindrazana, ary manana vahaolana hamonjena ny firenena avokoa ny ankamaroan’ny mpanao politika. Samy efa nitondra anefa ny ankamaroany, saingy tsy hita izay napoaka fony teo, ary izao dia milaza tena ho dokotera afaka ny hanasitrana an’i Madagasikara mihitsy na ireo milaza ho mankasitraka ny fifidianana na ireo mivoy ny hanaovana azy. Ny sasany moa avy ao anaty fitondrana, dia manenjika ny ekipany fahiny, ary toa te hilaza fa madio tsy misy pentina, kanefa dia niara-nihinana tao ihany satria mbola feno tokoa angamba tao am-bava tamin’izany dia tsy afa-niteny. Ny sasany efatra taona nisalobon-komana tany an-dafin’ny riaka, saingy izao dia manao fiavin’ny tafara milaza ho tena tompon’ny lakile, ary haka ny lakileny. Ny mbola HVM izay mbola eo amin’ny seza aza moa, dia sahy mamoaka vava fa tsy ho resy satria efa tsara fiomanana, ka asa lahy izay hitranga eto ! Samy mahay miteny sy miresaka avokoa, eny fa na ireo ambara fa ho olom-baovao aza, dia hanao fitaovana ny tsy fahombiazan’ny teo aloha, ary efa manomboka hita taratra izany ? Mba sokajiana ho olom-baovao ihany anefa ny ankamaroan’ireo tamana eo ankehitriny ireo, saingy io no nafitsony.  Tsy havelan’ny tarany tsy hamiratra eny foana kosa ny volamena latsaka am-bovoka, izay ny vahoaka no mitady famonjena aminy satria tena nanao, nahavita ary mbola hahavita bebe kokoa e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT