Politique

HFI sy ny tariny Sao dia efa misy mifoka rongony, hoy i Doudou


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Naneho ny fahasorenany manoloana ny fihetsiky ny mpanao politika sasany ny filohan’ny vovonana politika Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na Doudou rehefa ela tsy niteny.

Tsy miova amin’ny foto-keviny ny DFP, hoy izy, dia ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Ny hevitray momba ny resaka fifidianana dia niadianay ihany koa ny tsy hitondran’ny HVM samirery io fifidianana io. Tanteraka izy ankehitriny na dia mampalahelo aza fa nataon-dRajoelina sy Ravalomanana ary Rajaonarimampianina salobokomana ilay fifanarahana. Mbola mampalahelo lavitra noho izay koa anefa ny maheno ireto Raiamandreny nilaza tamin’ny taona 2017 fa hilatsaka ho filoham-pirenena kanefa ankehitriny efa akaiky ilay fifidianana vao miteny indray hoe aleo fanorenana ifotony aloha. “Sao dia mifoka rongony ary ianareo ?”, hoy izy. Fantatrareo tsara fa tsy vita am-bolana fa an-jato taona izany fanorenana ifotony izany. Ny HVM no maniraka ny HFI sy ny tariny ireo mba hanemorana ny fifidianana satria matahotra fifidianana ny fitondrana, hoy hatrany i Doudou.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT