Politique

Hetsiky ny HFI Amin’ny zoma indray


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Efa nampoizina ihany ny zava-nitranga tetsy amin’ny Parvis Analakely omaly. Nahagaga ny maro ihany hoe naninona ireo fikambanana sy antoko ary vondrona tapa-kevitra ny hanohy ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey mivondrona ao anatin’ny HFI ka hanome anarana hoe tolona ho an’ny tena fanovana no tsy nangataka alalana mihitsy na tany amin’ny prefektiora na teo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ?

 

 Efa iaraha-mahalala izao fa takian’ny lalàmpanorenana ny tokony hangatahana alalana avy amin’ireo rafi-pitantanana 2 ireo mialoha ny hanatontosana fihetsiketsehana kanefa dia tsy nataon’ireto vondrona marobe ireto raha nidina tetsy Analakely omaly. Fanorenana ifotony ve no katsahina sa fanakorontanana ifotony ? Raha ny zava-misy omaly aloha izany dia voasakana tsy hiditra tao anaty lapan’ny tanàna ireo noheverina ho mpitarika ity tolona ho an’ny tena fanovana ity. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo no tonga teny an-toerana izy ireo ary nazava ny antony tsy namelana azy hiditra tao amin’ny kianja. Rehefa nifandresy lahatra teo moa ny avy eo anivon’ny Emmoreg sy ireto mpitolona ireto dia resy lahatra ny hangataka alalana ihany ireo mpitolona ary hiverina eny an-kianja ny zoma izao.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT