Tsy ny Parvis irery akory no atao hoe kianjan’ny 13 mey, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko Tambatra.
Ny zava-nisy tamin’ny talata dia tafiditra tao amin’ny 13 mey izahay. Tafita ny hafatra satria afaka nikabary araka izay tianay izahay ary afaka nandrava ny hetsika araka izay tianay handravana azy. Na dia tsy nanana fanamafisam-peo raitra azy izahay dia fahombiazana ireny, hoy izy ireo. Nanamafy ny antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy mba ho avy eny Analakely indray ry zareo avy eo anivon’ny GRAC na ilay famondronana ireo fikambanana ho an’ny fanorenana ifotony. Tsy afaka hanao fifidianana ao anatin’izao tsy fitoniana izao isika, hoy izy ireo. Ry zareo avy eo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI) moa dia nanamafy fa mila jerena amin’izay ny fototry ny krizy in-6 misesy teo fa tsy maika ny hanao fifidianana foana. Niaraha-nahita izao, hoy izy ireo fa aorian’ny fifidianana dia niverina foana ny krizy dia mbola izany ihany ve no hikirizana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.