Politique

Hetsika sy fitakiana etsy sy eroa Tafiditry ny politikam-panakorontanana avo lenta


  • Zoma 27 Jolay 2018

Mitohy hatrany ny savorovoro eto amintsika. Ny fitoniana politika tsy misy, ny fitakiana sendikaly tsy voavaha, hany ka fitokonana etsy sy eroa no tena malaza.

Mikatso indray ohatra ny oniversite. Tsy mbola misy ny fitoniana eto 4 volana eo ho eo tsy hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena satria ny eo tsy voalamina, kanefa ny hafa misosoka ihany. Zary kabary am-poto-molotra ny famahana ny olana ho an’ny mpitondra fanjakana, izay mivoy hatrany ny hoe andao hifampiresaka. Rehefa tonga ao anatin’izay fifampiresahana izay anefa, dia toa tery vay manta na fividianana andian’olona hamono afo no tena hatao mba hamotehana sy handravana ny firaisankinan’ny mpitolona, toy ny an’ny mpanabe. Tena tsy mahavaha olana ny mpitondra, ka mizotra mankany amin’ny vahaolana kopisoroka sy ny bemarenina. Raha ny lojika, dia tena tsy mbola afaka ny hiroso avy hatrany amin’ny fifidianana isika, raha tsy misy ny vahaolana haingana sy mahomby ao anatin’ny fotoana fohy. Ny tsikaritra aloha, dia mivoy ny hisian’ny fifidianana ny seraseran’ny mpitondra, saingy ny tena zava-misy, dia mifanohitra amin’izay. Tombony ho an’ny fitondrana ankehitriny rahateo rahateo ny mety ho fihemoran’ny fifidianana. Sao dia zavatra iniana hatao ihany koa ny fiziriziriana tsy hamaha olana mba hihemoran’ny fifidianana hampitombina tsara ny tsy fisian’ny fitoniana ka hahatafidirana amin’ny hoe toe-javatra tsy azo hivalozana hahafaha-manemotra ny fifidianana fa isika no hanaovana sinema eto ? 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT