Politique

Hetsika Fanorenana Ifotony Fifidianana eny amin’ny fokontany aloha


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Nitombo iray ireo hery politika mikambana eo anivon’ny vovonana Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI).

Nanasonia ny fifanarahana mikasika ny fifampitondrana sy ny tanjona ao anatin’izany ihany koa omaly ny avy eo anivon’ny antoko politika Antoka sy Dinan’ny Nosy (ADN) izay tarihin’ny filohany Edgard Razafindravahy. Iraka 4 no hotanterahan’ireto hery politika maherin’ny 140 isa ireto, araka ny namakiana azy teny Andohalo omaly dia ny fanaovana vaindohan-draharaha ny fanorenana ifotony, ny fanatontosana ny fifidianana eny anivon’ny fokontany mialoha ny fifidianana hafa sy ny fanovana lalàmpanorenana ary fanentanana ireo hery politika hafa tsy mbola anaty HFI mba ho ao. Nanaiky hanatanteraka izany koa ny ADN omaly.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT