Politique

Hetsika eny amin’ny 13 mey Hotohizana amin’ny talata


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Nanao fanambarana miaraka tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly ny mpanao politika, sendika, mpianatry ny oniversite, mpampianatra mpikaroka, fikambanana sy vovonana maro fa hamerina ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny talata izao.

Hitondra ny anarana hoe “Hetsika ho an’ny tena fanovana sy fanorenana ifotony”, hoy izy ireo, ny tolona amin’izao fotoana izao. Nifandimby nanao antso avo ho an’ny vahoaka malagasy moa ny solontenan’izy ireo tsirairay avy mba ho tonga eny an-toerana amin’io andro io mba hanoherana ny fanatontosana fifidianana amboletra sy ny mbola fijanonan’ny fitondrana ankehitriny eo amin’ny toerany. Tsy ekena, hoy izy ireo, ny fitondrana feno kolikoly, ny tsy fanajana zo sendikaly, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fitoniana sy izay tsy fandehanan-draharaha ankoatr’izay mbola manjaka eto. Ataovy amin’ny andro tsy misy orana ny fifidinana fa izany volana desambra izany efa sady mifantoka amin’ny fetin’ny krismasy ny sain’ny olona ka mampanahy ho feno halabato toy ny teo aloha indray. Isan’ny niditra tao anatin’ity fivondronana ity koa moa ry zareo mpitatitra ary nilaza fa na hisy ho maty sy velona aza tsy hifindra eny Ambohimanambola izany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT