Vonona hiara-miasa amin’izay ben’ny tanŕna ho lany eo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampiaina na dia ho avy amin’ny mpanohitra aza izany
. Ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra ny filoham-pirenena hoy ny nambarany raha tonga nandrotsa-bato teny amin’ny CEG Tsimbazaza izy sy Ramatoa vadiny omaly maraina. Nambarany fa ny fampitoviana ny fomba fijery ho any amin’ny fampandrosoana no zava-dehibe ka tokony handrasana amin’ny fitoniana ny voka-pifidianana. Momba ireo mitady hanakorotana ny fifidianana kosa indray dia nampitandrina ny filoha ny amin’ny hanajana ny zon’ny Malagasy.Nanainga ny vahoaka tsiraray ny hanao ny adidiny kosa izy ambonin’izay. Mahakasika ireo mpiasam-panjakana ambony nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitra kosa indray dia nilaza ny filoha fa eo ny Ceni-T handray ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izay.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.