Tsy mbola tafiditra ao ao amin’ny laharam-pahamehan’ny filoham-pirenena mihitsy hatramin’izao ny fandinihana ny momba ny «Pacte de responsabilité» napetraky ny HCC handaminana ny fitondram-panjakana
. Omaly ny filoha dia tany Ambatondrazaka nametraka vato fehizoro ny fanamboaran-dalàna miresy sahabo ho roa kilometatra tao an-tampo-tanànan’Ambatondrazaka no sady nampanantena ny vahoaka tany an-toerana ihany koa ny amin’ny hanamboarana ny kianja filalaovam-baolina izay notrongisin’ny minisitry ny fanatanjahanatena Ramamonjisoa Virapin tamin’izany fotoan’androny fa hatao manara-penitra kinanjo tsy nokitihina akory hatramin’izao. Na tsy ambara mazava aza dia fantatra fa tsy maintsy manaraka ny filoha sy ny mpiara-dia aminy akaiky eny ihany ny kandidan’ny antokon’ny fitondrana amin’izay alehany amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao. Mazava ny tanjona amin’izany, fa nandritra ny fitsidihany tany Andranofeno kosa dia nanambara ny filoha Rajaonarimampianina fa efa nofaritan’ny lalàmpanorenena mazava tsara ny anjara asan’ny andrim-panjakana isan’isany ka tokony samy mandray ny andraikiny avy dia izay no « pacte de responsabilité ». Ny praiminisitra indray moa dia any Farafangana mitokana oniversité any an-toerana amin’izao an-katoky ny fampielezan-kevitra izao.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.