Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy manana olona itokisana intsony ?


  • Alakamisy 23 Jolay 2015

Sahiran-tsaina miady izay olona hatao talen’ny kabinetrany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina taorian’ny nisaorany an’i Henry Rabary-Njaka tamin’ny 8 jolay 2015 noho ny raharaha Air Madagascar.

 

 Tapabolana izay no lasa, tsy mety voatendry izay ho solon’i Henry Rabary-Njaka. Resaka mivoaka avy amin’ny olona manodidina ny ao Ambohitsorohitra no ahenoana fa maniry io toerana io i Me Nicole Andrianarivonison, mpisolovava sady mpanolontsain’ny filohan’ny Repoblika no mpikambana ao amin’ny birao nasionalin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) ihany koa. Mbola io loharanom-baovao io ihany anefa no milaza fa tsy resy lahatra amin’izany ny filoha, ka dia mbola banga eo aloha izany ny toerana. Tsy nisy filan-kevitry ny minisitra, fotoana afaka nandraisana fanapahan-kevitra, koa ny omaly. Tsy manana olona itokisana amin’ireo olona manodidina azy ve ny filoha sa haverina amin’ny maha talen’ny kabinetrany, asany teo aloha, ihany i Henry Rabary-Njaka ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT