Politique

Hery Rajaonarimampianina Nataon’ny olona tohatra fiakarana fotsiny


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Tsy misy mihitsy filoham-pirenena hisafidy ny hanaotao foana hanimba tena mandritra ny fitondrany fa ao raha matoa tsy mahomby. Iankinan-javatra ny ekipa ao anaty fitondrana satria tsy vitany irery io.

 Tena niasa ho an’ny filoha sy ny firenena ve ireo ekipany sa nanaratsy endrika ny fanjakana sy nangoron-karena ary nanomana ny ho avy politika ny ankamaroany ? Efa miendrika faharesena ara-politika ho an’ny HVM aloha ny naharavan’ny governemanta Mahafaly Olivier, izay tsy nahavita ny asany sy tsy naaro ny politikam-panjakana sy ny politikan’ny filoha. Toa manomboka voaporofo amin’izao fa nofahanan-dalitra i Hery Rajaonarimampianina ary nampanantenaina fa mafy sy mahery ny HVM, ka diso nahatoky tena kanefa dia io ny niafarany. Mety ho tavela farany eo, fa mikopak’elatra kosa ny ankamaroan’ireo ekipa rehefa azony ny mamy. Nataon’ny olona tohatra fiakarana satria ny hafa efa nahazo toerana tao anaty fanjakana, dia efa toa metimety daholo ary efa nihavana tamin’ny mpifanandrina politika teo aloha aza ny sasany, rehefa nisintaka. Efa niova fomba firesaka ry Roland Ratsiraka, izay mivoy ny tokony hametrahana olom-baovao eo amin’ny fitondrana, izay tombanana ho kandida. Henjehina mafy ry Narson Rafidimanana, izay efa tsy ao anaty sambon’ny HVM intsony. Efa io iaraha-mahita io ny nafitsok’i Paul Rabary, izay heverina fa hirotsaka ho filoha. Matoa tonga amin’izao ny antoko, tsy nirindra ary tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao, izay tsapa ho miezaka milaza fa tsy misy fiantraikany amin’ny antoko ny zava-niseho kanefa raha ny vaovao azo, dia nivory maika ny HVM raha vao niala tao anatiny i Paul Rabary ny alatsinainy teo. Iza ihany koa moa no mahita na handefona ivoho an-dRajaonarimampianina izy atsy ho atsy ? Raha ny hita mantsy, dia izy no miezaka mivoy fa aleo handeha ny fifidianana. Sao kosa maika ny handray ny toeran’ny filoha raha ho kandida izy ka eo no hametraka ny politikany sy ny kajikajy efa masaka an-dohany ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT