Mangotraka ny fitetezam-paritra ataon’ny filoham-pirenena mandritra izao fampielezan-kevitra hoan’ny fifidianana ben’ny tanàna izao.
Omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia tany amin’ny kaominin’i Tanambe, faritra Alaotra Mangoro. Moto ho an’ny sefo Zap any an-toerana ity nomen’ny Filoha ity. Ny omalin’io raha tadidintsika dia nametraka vato fehizoro tamin’ny fanamboaran-dalàna sahabo ho 2 kilometatra tany Abatondrazaka ihany koa ny tenany. Tsy ny asa nataon’ny filoha no ratsy na sanatria tsy mety fa ny mampametra-panotanina dia ny hoe inona sisa izany no ilàna ny minisitra eo anivon’ny governemanta raha lalàa 2 kilometratra avy dia iantsoana filoham-pirenena ? Toy izany koa ny tany Tanambe, tsy hoe manamaivana ity kominina izay fantatra fa mandroso ity fa fizarana moto no andehanan’ny filoha any sa sady mananararaotra manohana ny kandidany any an-toerana ny filoham-pirenena ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.