Ho sarotra ny miandry izay ho filoham-pirenena handimby an-dRajaonarimampianina eo ary raha tsy manana paikady sy fomba fiasa haingana sy mahomby, dia tsy hisy zava-banona ao anatin’ny 5 taona.
Izay no tena lesoka ho an’ny filoha ankehitriny, izay matetika no re niala bala tamin’ny hoe firenena fadiranovana sy avy potiky ny krizy no novantaniko teo. Izy anefa dia tompon’andraikitra ambony tamin’ny fanjakana tetezamita, ka raha tena nahay naka lesona tamin’ny zava-misy tsy ho toy izao mihitsy ny fomba fitondrany ny firenena, ary voaporofo hatrany fa olona tsy nivonona hitondra. Toa diso kajy hatrany am-boalohany satria variana fa aty am-parany vao miraparapa. Nihevitra ny hampiasa fahefam-panjakana sy lalàna mamohehitra handresena amin’ny fifidianana, saingy efa simba aloha iny kajikajy iray iny vokatry ny tolon’ny 13 mey, ary izy aza saika niongotra. Nanaratsy endrika ny fanjakany rahateo ny kolikoly avo lenta samihafa, izay hanasokajian’ny maro ny fitondrana HVM ho fanjakan-jiolahy. Raha ny lojika, tsara toerana fanindroany ny filoha am-perinasa satria tena tsy ampy ny 5 taona rehefa tena dinihina. Tsy izay anefa no zava-misy ho an-dRajaonarimampianina satria niaraha-nahita ny nafitsony. Kely ny herijika mbola hiverenany amin’ny fitondrana, ary na izy aza tokony hahatsapa tena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.