Politique

Hery Rajaonarimampianina “Afaka miova toerana sy andraikitra ny olona”


  • Zoma 10 Jolay 2015

Na ny tenako filohan’ny repoblika aza dia tsy haharitra mandrakizay eo amin’ny toerako fa tsy maintsy misy ny fiovana, hoy i Hery Rajaonarimampianina omaly teny

 

Ivato raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny fanesorana an’ny Me Henri Rabary Njaka tsy ho talen’ny kabinetran’ny prezidansa intsony. Afaka miova toerana sy andraikitra ny olona rehetra, hoy izy, na minisitra io na talen’ny kabinetra rehefa izany no takian’ny fampandrosoana ny firenena. Mbola namerina indray io omaly io ny filoha fa mampisavorovoro ny fisian’ny fanonganana ny filoham-pirenena sy fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka. Fitoniana no tadiavintsika mba hahafahana miasa, hoy izy. Araka ny fantatra dia tsy mbola manana eritreritra ny hihaona fanindroany amin’ny solombavambahoaka mihitsy aloha ato ho ato ny filoham-pirenena ho fanohizana ny fametrahana ilay « pacte de responsabilité »

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT