Niantso ny depiote maro an’isa hanohana azy
Omaly alina no tafaverina an-tanindrazana rehefa avy tany Milan –Italia ary avy eo nanatrika ny fivorian’ny Sadc tany Gaborone ny filoha Hery Rajaonarimampianina,
nambarany teny am-pahatongavana teny Ivato fa ilaina ny fifandresen-dahatra mba ho an’ny tombotsoa ambonin’ny firenena.Niantso ireo maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena izy mba hanohana ny fandaharanasany satria io no efa nekena,hoy izy.Momba ilay « pacte de responsabilité » indray dia mazava iny hoy ny filohm-pirenena fa samy mandray ny andraikiny araka ny ambaran’ny lalampanorenana ny tsirairay, aoka tsy afantoka foana amin’ny fanovana praiminisitra na governemanta ny resaka hoy izy fa asa izao no takiana ary tokony efa samy nandray lesona tamin’ny lasa avokoa ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.