Politique

Hery Rafalimanana Niseho sehatra teny Ambodin’Isotry


  • Zoma 17 Jolay 2015

Teny amin’ny kianja filalaovana basikety teny Ambodin’Isotry no toerana nosafidian’ny kandidŕn’ny Iarivo Mitambatra nanombohana ny fampielezan-keviny omaly, andro voalohany fanombohana izany.

 

  Nazava ny safidy araka ny nambaran’ny kandidà Hery Rafalimanana fa fanomezankasina ny tanàna nahalehibe azy sy Rtoa Voahangy vadiny teny amin’iny faritra iny sady ho fanohizana ny fidinana ifotony famaliana amin’izay ny hetahetan’ny mponina  efa natomboka talohan’ity fampielezan-kevitra ity. Ary dia nambaran’ny lehilahy fa miainga ifotony ny fampandrosoana ka tsy hanao resaka politika isika amin’ny hitantanana indray ity tanàna ity fa havondrona amin’izany fampandrosoana izany ny resaka. Ka noho izany dia aleo Hery Rafalimanana no ho eo amin’io toeran’ny ben’ny tanàna io, hoy izy, fa mbola betsaka ny asa ho tohizana ety ambany tanàna. Nahitana solotenan’ny Hvm, Hjjf, Leader Fanilo, Ampela manao politika, Tgv ary Tim tao amin’ny fanohanana ny kandidà Hery Rafalimanana ity nilazany fa izay no tena maha-Iarivo Mitambatra azy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT