Efa tsinjo tamin’ny faradoboky ny fampielezan-kevitra nataony teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny mety ho voka-pifidianana azon’ny kandidan’ny Iarivo Mitambatra, Hery Rafalimanana
. Na dia vokatra vonjimaika aza no mivoaka hatreto dia saro-toerana ity kandida ity. Be tsy andraofana ireo antoko sy fikambanana nambara fa maro tao andamosiny, nanohana azy fa toa vao mainka aza nandetika azy. Andrana faharoa ho an’i Hery Rafalimanana iny omaly, saingy tsy fahombiazana hatrany. Sao mba tsy mety aminy ny politika fa sehatra hafa no ahombiazany.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.