Politique

Hery Rafalimanana Afaka mampionon-tena


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Samy nanao izay ho afany ireo kandida Ben’ny tanàna sivy mianadahy mifaninana eto Antananarivo Renivohitra nandritra ny faradoboky ny fampielezan-kevitra omaly.

 

 Nisafidy ny Coliseum Antsonjombe ny kandidan’ny Iarivo Mitambatra Hery Rafalimanana nifamotoanana tamin’ireo mpanohana azy. Diso safidy toerana izy raha ny hita teny an-toerana. Ny voamarika aza dia ny andian’olona avy eny amin’iny faritra Ankadikely iny, manao akanjo misy soratra HVM indray koa no maro amin’ireo hany mba tonga tao ary saika fiara fitaterana avy eny nitondra ny mpanohana kandida Hvm avy eny Ankadikely eny no nameno ny Parking tetsy Antsonjombe tamin’io omaly io. Ampy nandrefesany na tafita tany amin’ny vahoakan’Antananarivo ny tetikasany na tsia iny omaly iny. Afaka mampionon-tena ihany koa i Hery Rafalimanana fa tsy hiandry fahagagana aorian’ny 31 jolay 2015.

Ra-Bri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT