Politique

Hery politika afovoany Tsy mazava ny tanjony


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Inona no tena antom-pisian’ireo milaza azy ho hery afovoany na ireo mpanao politika fatra-pilaza azy ireo ho « neutre » ao anatin’izao toe-draharaha politika efa hita ho miha mitontongana hatrany izao ?

Efa hita miharihary fa nanao antanantohatra ny tsy fanajan’ireo hery politika mifanandrina mivantana ny lalàmpanorenana na iza izy na iza nony tonga tanaty fitondrana. Niakatra isan-taona ny maripana tao anatin’ny efa-taona. Nanomboka tamin’ny fanodinkodinana tsenam-baropanjakana, nandalo tamina raharaha vono olona mahatsiravina toy ny tany Antsakabary.  Teo ihany koa ny fanjavonan’ny raharaha Razaimamonjy. Ny olom-panjakana nanafika biraom-panjakana ombam-bahoaka kanefa dia nomena ny minisiteran’ny serasera raha tokony hotsaraina amina raharaha maromaro. Ny fanendrena ireo praiminisitra tsy nifanaraka tamin’ny andininy faha-54 ao anaty lalàmpanorenana manginy fotsiny. Filoham-pirenena efa nekena izao fa tsy naha tafatsangana ara-potoana ny fitsarana avo kanefa dia mbola sahin’ny HCC najanona tamin’ny toerany ihany. Ampahany fotsiny ireo entina hilazana fa tsy mandeha amin’izay laoniny ny raharaha politika eto ary tonga amin’ilay teny frantsay hoe « contexte faussé » na hodidina politika manivaiva vahoaka. Dia mbola hisy ho sahy hilaza ihany ve fa tsy miandany amin’ny atsy na amin’ny aroa na koa hoe tsy hanohana na iza na iza fa dia hoe « centriste » na « neutre » ? Ny fako entin-driaka no tsy manan-tanjona, hoy ilay fitenenana malagasy izay. Sao dia paipaika ahafahana miditra tsimoramora ho sakaizan’ny mpandresy atsy ho atsy fotsiny kosa ny an’ireto milaza azy ho afovoany ireto no sady fitsoahana andraikitra sy fiandrasana taty reraka ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT