Politique

Hentitra Ravalomanana “Tsy nanasonia fifanarahana politika aho”


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Ankoatra ny firarian-tsoa maro be ho azy hita tamin’ny alalan’ny tambajotra ara-tsosialy samihafa noho ny fetin’ny ray, dia tonga niarahaba an’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra ireo solontenan’ny mpiara-miasa isan-tsokajiny,

toy ny avy amin’ny orinasa Tiko, ny KMMR 2018, ireo depiote avy amin’ny antoko TIM, ny mpitari-tolona eny amin’ny Magro,… omaly takariva. Nisy ny fety sy korana nanamarihana izany. Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny tenany. Ny fanelanelanana sy ny fifanarahana politika, dia tokony handalo Troika, SADC, vao Vondrona Afrikanina, kanefa tonga dia ny Vondrona Afrikanina no nandray an-tanana. Miantso ny SADC izy satria tsy afa-po ary tsy maninona raha eo ny vondrona Afrikanina fa miaraka amin’ny SADC, hoy izy mantsy ny filohan’io rafitra io sady filohan’i Afrika Atsimo Cyril Ramaphosa. Eo izany vao tokony hatao ny fifanarahana politika mazava sy mangarahara? Nisy fifanarahana politika angamba tany ambadimbadika tany, fa izaho aloha tsy nanasonia an’izany, hoy izy. Hentitra izy nilaza fa raha misy any dia hoento aty fa izaho ihany koa mba te hahita an’izany fa tena mahavariana ilay izy, hoy izy. Niantso an’i Ramtame Lamamra iraky ny vondrona Afrikanina aho ny alatsinainy tamin’ny nanendrena ny Praiminisitra teo amin’ny Biraon’ny masoivoho Frantsay, ka gaga  aho fa hanendry ny praiminisitra, hono, ny filoha, hoy izy. Eny no valiny azo, ka aleo mifanao fotoana aminy (Rajaonarimampianina) amin’ny 6 ora hariva, hoy ity farany. Rajaonarimampianina sy Rivo Rakotovao no nandray azy tao, ka nipetraka ny fanontaniana hoe: nahoana no tsy nifampiherana ? Tsotra ny valin-teny hoe : “ka ianareo noheverinay tsy ho avy” no setriny. Hay ve ! Inona moa no ataoko eo fa efa izay no izy, hoy ny filoha teo aloha. Raha hiditra ny TIM dia misy toerana 3 homena anareo, hoy ny Filoha. Raha izay no izy dia nametraka solontena ary nomena fahefana tsara hifampiresaka sy hifandinika ny TIM mba tsy hilazana azy ireo hoe sakana, dia i Guy Rivo Randrianarisoa sy Olivier Donat Andriamahefamparany sekretera jeneralin’ny TIM. Tsy nidikiditra fahatany ireo depiote lasa minisitra fa tsy maintsy nisy fanapahan-kevitra niraisany tao, saingy matoa mbola misy ny tolon’ny 13 mey dia tsy afa-po izany izy ireo, raha ny nambarany. Raha ilaina dia inona moa no manakana ahy tsy hitondra fanazavana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, hoy i Marc Ravalomanana. Raha tena ilaina dia mbola ho avy aho fa ho hitantsika eo, hoy ny fanambarany. Tokony hisy ny fifampiresahana eo aminy sy ny praiminisitra anio, ka ho hita eo ny tohiny. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT