Tsy nahazo alalana ny avy amin’ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony (HFI) ary tsy ara-dalàna ny fihetsiketsehana, hoy ny avy eo anivon’ny prefektioran’Antananarivo omaly manoloana ny filazana fa hisy ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey anio.
Tsy naharay taratasy fangatahana alalana ny prefektiora, saingy voasokajy ho anisan’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, hoy ny prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian. Ny prefektiora no manome alalana azy ireo hanao izany eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Nilaza kosa izy ireo fa tsy ilaina ny fangatahana alalana. Manampy ireo sendika efa nitolona teo an-kianja toy ny mpitatitra, ny mpanabe fotsiny ny HFI, ka tsy misy fahazoan-dalana hangatahina intsony, ary am-pahendrena izany, hoy i Manoela iray amin’ireo mpitarika. Tetsy an-kilany, tsy tompon’antoka amin’izay mety hiseho ny avy amin’ny kaominina Antananarivo, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna Kolonely Ramboasalama Emilien satria tsy nisy ny fandefasana taratasy mialoha. Misokatra toy ny andavanandro ny “parvis” fa tsy tompon’andraikitra amin’izany ny kaominina, ary tsy hanao na inona na inona eo anatrehan’izay mety hiseho eo. Raha ny re omaly hariva moa, dia tsy hanaiky ny ho eny Andohatapenaka ny HFI fa hamonjy ny kianjan’ny 13 mey satria teo no niaingan’ny tolona ho an’ny fanovana ary mbola hitohy eo izany satria tsy mbola vita hatramin’ny farany ny fanovana hatao eto amin’ny firenena. Hahatarika vahoaka ve ny HFI ary hisy ve ny korontana na ny fampiasana Emmo-reg indray eny Analakely anio ? Andrasana izay hiseho taorian’ny fifampiziriziriana omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.