Politique

Henry Rabary Njaka Voadaka tao Iavoloha


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly alarobia 8 jolay 2015 ny didim-panjakana manala an’i Henry Rabary Njaka tsy ho talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika intsony

 

. Fanapahan-kevitra toa manamafy ny lahatsoratra naroson’ny Tia Tanindrazana teto omaly, hoe : “Miady i Hery Rajaonarimampianina sy Henry Rabary-Njaka ?”. Talohan’io mantsy dia efa natosika hametra-pialana tsy ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar koa i Henry Rabary Njaka vokatry ny tsy fahitany vahaolana tamin’ny krizy ao amin’ity orinasam-panjakana ity sy manoloana ireo fitakian’ny mpiasa. Izy ve no voalohany niantefan’ny fanilihana nataon’ny minisi-panjakana sady filoha nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao, hoe : miala izay tsy manohana ny fandaharan’asany filoha ? Na izy na tsia, ny zava-misy aloha dia very seza i Henry Rabary-Njaka ary betsaka no nipi-kelika sy faly tamin’izany. Asa na hitohy any amin’ny maha Sekretera jeneralin’ny antoko HVM azy ity raharaha ity. Mandeha rahateo ny feo fa maniry mafy ny hotendrena ambasadaoro any Etazonia any, hono, ny tenany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT