Politique

HCC, depiote, loholona Maharomotra vahoaka


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Tsy milamina ny firenena na somary mangingina aza ny fitakiana politika amin’izao fotoana izao, ary maka toerana sy mahazo laka ny fitakiana sendikaly.

Mitontona any amin’ny governemanta amin’ny ankampobeny ny rihatra rehetra amin’izao fotoana izao, raha tsy hijery afatsy ny olana mianjady amin’ny governemanta amin’ny tsy fivahan’ny olana amina minisitera maro. Tena fositra sy loharanon’ny krizy amin’izao fotoana izao anefa ireo andrim-panjakana hafa, toa mihevitra fa efa mandrimandry sy milamina ny zava-drehetra, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona, ary indrindra ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenenab (HCC). Ny antenimieram-pirenena tamin’ny alalan’ireo depiote voavidim-bola sy voalaza ho nanao kolikoly avo lenta, ka nandray hatramin’ny 50 tapitrisa nampandaniana ny lalàm-pifidianana ny volana aprily dia fositra teto. Mbola nankatoavin’ny antenimieran-doholona tao anatin’ny 45 minitra tsy nisy fanovana ilay lalàna, saingy nokianin’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny andininy maro rehefa namoaka ny heviny izy ny 3 mey. Tomponandraikitra feno tamin’ny korontana sy kitoatoa izany ireo andrim-panjakana roa ireo, saingy vitavita ho azy satria sandaina be ny tsangan-tànana na zavatra mamotika firenena izao aza no ekena tsy misy fepetra. Na teo aza ny fitakiana sendikaly samihafa izay misy resa-bola, dia tsy noraharahiana sy tsy nampidirina tao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny famahana olana sendikaly na ampahany aza, fa nolanian’ny depiote miisa 34 teny Tsimbazaza amboletra ny andron’ny 29 jona lasa teo ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana. Vao afak’omaly 12 jolay anefa no nanome baiko hentitra amin’ny tokony hanatsaharahana ny fitakiana sendikaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ny HCC moa, dia mpanakorontana na milaza ho mpandamina araka ny nambaran’ny filohany Jean Eric Rakotoarisoa izao aza, fa tsy izy ireo mihitsy no hanakorontana. Filoha efa ekena sy ambara fa nanitsaka lalàmpanorenana ary tokony hesorina izao mbola namoahana didy sadasada sy harovana ka tsy hay hoe inona marina no atao hoe tany tan-dalàna eto amintsika?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT