Politique

Hazakazaka Ben’ny tanŕna Lasa i Neny


  • Alarobia 22 Jolay 2015

Ny hanao pao-droa no tanjon’ny Tiako I Madagasikara eto Antananarivo renivohitra amin’ny fifidianana hatao amin’ny 31 jolay 2015 : Ben’ny tanŕna i Lalao Ravalomanana ary manana ny maro an’isa eo anivon’ny Filankevitry ny tanŕna.

 


Nanomana ary tsy manao ho ambanin-javatra an’ity fifidianana indray mitoraka ity i Lalao Ravalomanana, kandida atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy vitan’ny fanomanana ara-batana sy ara-tsaina sy ara-panahy izany, fa hatramin’ny ekipa sy ny vinam-piarahamonina hotanterahina izay anaovany fanamby hampandrosoana an’Antananarivo sy ny mponina ao aminy araka ny teny filamatra hita eny amin’ny afisiny. Niofana sy nanatevina traik’efa tany ivelany : Alemaina sy Frantsa ankoatra ny notovoziny nandritra ny dimy taona nipetrahany tatsy Afrika Atsimo i Lalao Ravalomanana. Nahazoam-bokatra avy hatrany izany satria dia misy fampitaovana momba ny fanadiovana sy fahadiovana ho an’Antananarivo avy amin-dry zareo Alemana azony ankoatra ny fanomezan-toky maro, izay miandry fotsiny ny fahatongavany ao amin’ny lapan’ny tanàna ny fahatontosany.

Manana tombony

Tombony lehibe ho an’i Neny Lalao Ravalomanana ny fananany an’i Marc Ravalomanana vadiny, izay filoham-pirenena teo aloha sady efa Ben’ny tanànan’Antananarivo ihany koa ; manohana sy manampy azy amin’ny fandavorariana sy fanatanterahana ny fandaharanasany ho an’ity renivohitr’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy ity, izay mifototra amina lahatr’asa lehibe enina. I Marc Ravalomanana moa dia nanambara ampahibemaso nandritra ny famaranana ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara, izay izy no filoha mpanorina sady filoha nasionaly am-perinasa, fa sioka tokana fotsiny no ataony dia tonga ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika hanohana ny fandaharan’asany ka hisantatra izany ireo ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara manerana ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo renivohitra. Lasa i Neny ary efa fanombohana ny fanatanterahana ny fandaharanasany sahady ny fitetezana fokontany amin’ireo boriborintany enina eto an-dRenivohitra ataony sy ireo mpanolotsaina iray lisitra aminy hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra, dia ny hisian’ny fifampitokisana satria ny tonga miaraka dia fanombohana fa ny miasa miaraka no fahombiazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT