Teny amin’ny foibeny teny Faravohitra no nisantatra ny fampielezan-keviny ny kandida ben’ny
tanànan’Antananarivo Renivohitra Harilala Ramanantsoa. Tsy mbola nisy aloha ny famoriam-bahoaka an-kalamanjana fa fanompoam-pivavahana fanaomezam-boninahitra sy fangataham-pitahiana ho an’ny fampielezan-kevitra no natao. Raha araka ny fantatra dia ny sabotsy ho avy izao vao tena hiditra an-tsehatra hitety tanàna ny kandidan’ny fikambanana Madavision.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.