Politique

Hanitra Razafimanantsoa Nisongadina tao anatin’ny tolona


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Namoaka mpitarika na “leader politique” tena nisongadina ny tolona ho an’ny fanovana, ary niavaka tanteraka depiote Hanitra Razafimanantsoa, avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara.

Tsy manamaivana ny hafa fa nisongadina ity depiote sady mpisolovava ity tao anatin’ny fitarihana ny tolona. Matotra ara-potokevitra, ka nitazona ny teny nomeny na ao anatin’ny safidy ara-politika tena sarotra aza. Tsy nivadika tamin’ny velirano nifanaovana izy ka nampitombo ny fanohanan’ny mpanara-dia azy. Lasa ananan’ny vahoaka fitokiasana, ka mampipetraka hatrany ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra. Voatazona hatreto ilay hoe ny vahoaka ny patron-nay, ary efa nambaran’ity depiote ity fa niangaviana hiditra tao anatin’ny governemanta ny tenany. Nisafidy ny ho ety ivelany ihany satria rehefa tafiditra ao, dia tsy maintsy hiova fiteny sy firesaka noho ny tsy maintsy hisian’ny fiombonana sy fifampiarovana ao anaty governemanta. Efa fanovana lehibe iray eo amin’ny tontolon’ny politika ny fahitana mpanao politika mijoro sy mitazona hatramin’ny farany ny velirano nifanaovana, eny fa na tsy mbola tratra hatramin’ny farany aza ny tanjona. Tsy vitan’olona iray na roa na telo hita fa misongadina sy eken’ny vahoaka teny anefa ny tolona fa ilaina avokoa ny rehetra ao anatin’izany, ary tsy misy azo hamaivanina. Andrandraina mba hitombo ny mpitarika matotra ara-poto-kevitra fa tsy ho jamban’ny seza sy fahefana, fa tena mizotra mankany amin’ny fanovana. Misy fotoana anefa ny fidirana ao anatin’ny rafitra no hahafahana mitondra ny fanovana, fa ny fahaizana mandalanjanja ny safidy politika no zava-dehibe indrindra, izay mila mazava fa tsy mivaona amin’ny fikatsahana ny soa ho an’ny besinimaro.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT