Niombom-peo avokoa omaly ireo kandidà 8 amin’ny 10 nirotsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina ambanivohitra
Ambohimangakely Avaradrano ka nampita hafatra tamin’ny mpanao gazety nilaza fa miantso ny fitondram-panjakana sy ny Cenit indrindra indrindra ry zareo mba hanao fanadihadiana ny amin’ny fisian’izany bileta efa voamarika mialoha tadiavin’ny kandidàm-panjakana hangalarana vato amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao. Ny ahiahinay io fomba mety hangalaram-bato io dia ny mety hisian’ny fanoloana ny vata mangarahara amin’ny fotoana fanisam-bato amin’ny fomba samihafa. Soso-kevitra avy eny Ambohimangakely ny hanajanonana ity fifidianana kaominaly ity aloha mba hahazoana manolo ny biletà hampiasaina. Raha tsy mety izany, hoy izy ireo, dia mangataka alalana manokana avy amin’ny tompon’andraikitr’ity fifidianana ity ry zareo hanao fisavana entitra mialoha ny hidiran’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato ka na ireo solontenam-panjakana no ho tendrena hanao izany na ireo mpitandron’ny filaminana fa mila ny lalao madio izahay kandidà mifandray tanana ireto amin’ny fiatrehana ity fifidianana ity, hoy izy ireo
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.