Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tsy ekena holalaovin’antoko politika 3 ny firenena”


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Ny 8 jona lasa teo no nandrenesana farany an`i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalin`ny antoko Malagasy Miara Miainga, nandritra ny fangataham-panazavana ny fifanarahana ara-politika teny amin`ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) etsy Ambohidahy.

 

 Ankehitriny dia miantso ny HCC mba hamaly ny fitoriana napetraka ny tenany ary tsy hanao tsinontsinona an`izany. Nohamafisiny fa tsy  ara-dalàna ny fifanarahana ara-politika satria tsy ao anatin`ny fanapahan-kevitra navoakan`ny HCC. Tsy nisy ny fihaonana nataony na tamin`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina na tamin’ny filohan`ny antoko HVM, Rivo Rakotovao, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Miantso ny HCC ny antoko MMM hampihatra ny didy araka izay tokony ho izy satria tsy hiteraka fitoniana ny fifanarahana ambadika fa fanarahana ny lalàna no tokony hatao.  Mitsipka marin-drano ny fomba fanao eto Madagasikara ihany koa ny MMM satria toa lasa an`ny antokon`olona na vondron`olona i Madagasikara fa tsy an’ny Malagasy. Tsy ekena ny filalaovan`ny antoko politika telo ny fiainam-pirenena ary nohitsakitsahin`ireo antoko ireo ny didy tsy azo ivalozana navoakan`ny HCC ny 25 mey tamin`ny fisian`ny fifanarahana ara-politika nialoha ny hananganana ny governemanta. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT