Ny sabotsy izao no fotoana ifanomezan’ny fikambanana Hafari Malagasy amin’ny vahoaka rehetra hampahafantaran’izy ireo ny antoko politika hatsangany, raha ny nambaran’ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Nohamafisiny tetsy amin’ny biraony etsy Anosizato omaly fa tsy maintsy haka fahefana amin’ny fomba demokratika izy ireo. Efa manana traikefa ahafahana manao izany taorian’ny sedra nandalovana nandritry ny 7 taona izahay, hoy ity filoha ity. Hampidirintsika anaty lalàmpanorenana ny rafitra fokonolona rehefa tonga eo ary tsy maintsy fidiam-bahoaka ny sefo fokontany. Hatao be karama noho ny mpanolotsaina izy ireo. Ny tolon-dRatsimandrava sy Nadine Ramaroson no hatao filamatra, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.