Politique

Guy Rivo Randrianarisoa « Tsy adinoko ny 13 mey …»


  • Alakamisy 14 Jona 2018

“Betsaka ny vitan’ny teo aloha sady mila tohizana ny ezaka. Ny miasa tsara sy miasa mafy no tarigetrako”, hoy ny minisitry ny indostria vaovao, Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Mila hajaina ny asa satria asam-bahoaka no atao ao anatin’ny minisitera fa tsy politika, raha niresaka tamin’ireo mpiasan’ny minisitera amin’ny fomba fiasa izy. Nohamafisiny fa roa no fanamby hapetraka. Ny voalohany dia ny fanomezan-danja ny orinasa Malagasy sy ny vita Malagasy. Faharoa, ny ady amin’ny kolikoly. Tsy ny Tiko AAA ihany no mila sokafana fa ny orinasa Malagasy afaka mamokatra rehetra. Raha misy orinasa te hisokatra ka misy mangataka kolikoly dia izaho mihitsy no hitsangana hiaro azy, hoy izy. Kolontsaina mila apetraka manomboka izao ny hoe ny fananganana orinasa dia fametrahana vakoka ho an’ny tompony sy ny fampiroboroboana izany ho fiveloman’ny taranaka Malagasy fa tsy bizina fotsiny. Nomarihiny kosa anefa fa tsy adinony ny mpitolona eny amin`ny kianjan`ny 13 mey ary baikon’ny lehiben’ny antokony no hipetrahany eo fa tsy fitadiavan-tseza akory. Tsy hivadika amin’ny nifanekena sy nifanarahana tamin’ny vahoaka ny tenany. Raha misy tsy hifanarahana aza dia hiala afaka 3 andro ny tenany.  Mila tomombana ny tontolom-pifidianana raha tiana ny hifanaraka. Tontosa omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny Indostria etsy Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny indostria teo aloha, Armand Tazafy sy ny vaovao, Guy Rivo Randrianarisoa.

Rano fisotro madio

Niroso tamin`ny fifamindram-pahefana ihany koa ny olon`ny Tiako I Madagasikara ka nandray ny toerany amin`ny maha minisitra azy i Rolland Ravatomanga. Anisan`ny nahabe resaka tokoa ny resaka JIRAMA. Mahakasika an`ity orinasam-panjakana ity dia sady eo ambany fiahian`ny ministeran`ny rano sy ny ministeran`ny angovo eo amin`ny lafiny teknika ary ny minisiteran`ny vola sy ny tetibola ny orinasa manomboka izao ary izay no firafitry ny Filankevi-pitantanan`ny Jirama. Tsy azo adinoina anefa fa orinasam-panjakana ny Jirama ka ny fanjakana no mampiasa vola ao, hoy ny minisitra misahana ny rano teo aloha. Ho laharam-pahamehana ny rano fisotro madio any Atsimo, hoy Atoa Rolland Ravatomanga ary indrindra amin`ny faritra Androy sy Anosy. Manome toky an`ireo faritra hafa ihany koa fa tsy maintsy miara-mijery daholo ary araka izay eo am-pelatanana. Natao omaly koa ny fifamindram-pahefana teo amin`ny teo aloha, Lanto Rasoloherison sy ny vaovao Rolland Ravatomanga.


J. Mirija sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT