Politique

«Gros bras» Milisy sa polisy ?


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Miverina indray ity resaka “gros bras” tato ho ato. Nahazo vahana mihitsy aza nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana kaominaly farany teo.

 


Tao Fianarantsoa, ny andron’ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay 2015 dia voatonona ny fisian’ny “gros bras” nandrava trano fisainana tany anaty birao fandatsaham-bato. Nisy ny fisamborana, fa niserana ihany izany. Nony vita indray ny latsa-bato dia nifandroritana ny vokatra tao Fianarantsoa, na tsy mbola ofisialy aza. Samy milaza ho mpandresy ny HVM sy ny Mapar. Nilaza ho niharan’ny tsindry sy tsy hanaiky fanodinkodinana ny safidim-bahoaka koa ny Tambatra. Nipoitra indray ny “gros bras”. Nifampihantsy teo imason’ny mpitandro ny filaminana teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ao Ampasambazaha izy ireo. Nisy ny fisamborana saingy niserana fotsiny ihany.

Voatonona ihany koa ny “gros bras” ho nandroba sy namotika ny fitaovan’ny haino aman-jery VIVA Fianarantsoa, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy teo. Tsy mbola nisy voasambotra indray teto. Momba io raharaha io dia nilaza tamin’ny teny hentitra ny praiminisitra Ravelonarivo Jean fa “tsy mpandroba ny Fanjakana”. Omaly indray toa feno fisalasalana indray ireo lehibe eo anivon’ny Polisim-pirenena nilaza fa mizotra ny fanadihadiana ka raha misy olon’ny polisy tafiditra amin’io dia handraisana fepetra. Inona avokoa no dikan’izany ?

Mahery vaika

Teto Antananarivo, tetsy amin’ny COUM 67ha. Nitaraina ny mpivarotra fa nisy “gros bras” namotika sy naka tamin-kery ny entan’izy ireo tao amin’ny toerana ifanolanana amin’ny SEIMAD. Milaza ny mpivarotra fa eo imason’ny mpitandro ny filaminana no isehoan’izany, ary ny sasany tamin’izy ireo aza voakasi-tanana sy nahazo fandrahonana.

Tamin’ny krizy nifandimby 1991, 2002 sy 2009 eny talohan’izay aza dia misy an’ity resaka “gros bras” ity hatrany, fa ny tamin’ny 2009 no tena nahery vaika. Nihorohoro Antananarivo Renivohitra tamin’izy ireo. Fandrobana tranombarotra, fandorana trano sy orinasa ary fananam-bahoaka, fampihorohoroana mpiarika politika ka lasibatra tamin’izany ny mpiara-dia tamin’i Marc Ravalomanana. Nisantatra azy ny mpanolotsainy, Mox Ramandimbilahatra. Tsy misy mangirana ny raharaham-pitsarana momba ireny na nisy aza ny fitorian’ireo lasibatra. Mipetraka ny fanontaniana manoloana ireny tranga ireny hoe : manana sata manokana angaha ny “gros bras” eto ? Milisy ireny sa polisy e ?

Ra-Bri

(Sary BD)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT