Tsy tontosa ny fikasan’ireo mpiasan’ny Jirama mitokona hanapaka ny jiro sy rano teny amin’ny minisiteran’ny angovo Ampandrianomby omaly.
Tsy namela azy ireo hiditra tao amin’ny minisitera ireo tompon’andraikitra ary nampiseho ny taratasy milaza fa ara-dalàna ny fandoavana ny saran’ny jiro sy ny rano. Efa tazana teny an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo Reg hatramin’ny omaly vao maraina ka vao miha nahasarotra ny fanapahana ny jiro sy ny rano izany. Tsy tazana teny an-toerana kosa ireo mitarika ny farimbon-tsendikaly tahaka an’i Oliva Andrianalimanana. Mazava ny resaky ny filoham-pirenena teny Ivato ny alarobia alina fa tsy mitombina ny hoe tapahana ny jiro sy ranon’ny minisitera kanefa ny fanjakana aza dia manome vola be hanampiana ny jirama, manodidina ny 200 ka hatramin’ny 400 miliara ariary. Midika izany fa handray fepetra ny fanjakana hametraka mpitandro filaminana hiambina ny minisitera sy ireo sampandraharaha maro ary hanakana ny mpiasan’ny Jirama migrevy raha mikasa ny hanapaka jiro izy ireo. Maro mihitsy aza no mihevitra fa mety hisy ny sarika am-pandriana sy fisamborana ireo mpiasan’ny Jirama izay minia manapaka jiro tahaka ny natao teny amin’ny minisiteran’ny rano. Andrasana indray, araka izany, izay ho fihetsiky ny farimbon-tsendikalin’ny Jirama na mbola hanohy ny hetsika izy ireo na hilefitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.