Manahy amin`ny tsy fangaraharahan`ny fifidianana hokarakarain`ny governemanta vaovao izay tarihan`ny praiminisitra Ntsay Louis Christian ny antoko PSD.
Tsy governemantan`ny marimaritra iraisana no hitsangana satria toa ireo antoko lehibe ihany no mikitika azy io, hoy ny sekretera nasionalin`ny antoko, Eliane Bezaza. Nohamafisiny fa ny antoko politika handray anjara amin`ny fifidianana dia tsy tokony hiditra ao anatin`ny governemanta vaovao satria fifidianana no hatao. Ho an`ny PSD, toa zavatra hafahafa no hitranga satria ny praiminisitra Ntsay dia tsy manana karatra Mapar akory. Raha tanteraka ao anatin`ny herinandro ny governemanta dia tsy izy no nandrafitra an`io fa efa misy fifanarahana indray any ambadibadika any, hoy hatrany ny fanazavana. Nisy no nihazakazaka nandray an`io fitondrana io tamin`ny HVM satria ireto farany dia efa malaza amin`ny hala-bato, izany hoe hangala-bato amin`ny toeran`ny HVM indray. Ny Mapar no nametraka an`ity praiminisitra ity ka ho azo antoka ve fa hangarahara ny fifidianana ? Izy ireo mantsy no mpikarakara sady mpitsara… Tsy rariny izany, hoy hatrany ity kandidà ho filoham-pirenena ity. Mankasitraka ny praiminisitra vaovao kosa ny antoko PSD saingy manahy izy ireo fa hobaikon`ny Mapar. Fanovana lalàmpanorenana no vahaolana hitan`ity antoko sosialy sy demokraty ity fa tsy fifidianana mialoha ny fotoana no ao anatin`ny hamehana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.