Politique

Governemanta vaovao Sahiran-tsaina ny mpanao politika amin`ny propagandy


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Fotoan-dehibe andrasan`ireo mpanao politika eto Madagasikara ny fandrafetana ny governemanta vaovao.

Misamahotaka avokoa ny rehetra, indrindra ny praiminisitra. Nilaza ny lehiben`ny governemanta Ntsay Christian nandritra ny famindram-pahefana natao tamin`Atoa Mahafaly Olivier fa praiminisitry ny marimaritra iraisana ny tenany. Midika izany fa voavaha ny olana ara-politika eto amintsika. Tsy tokony hibaribary loatra kosa anefa ny ady seza fa olona manana hevitra mahomby ao anatin`ny fotoana fohy no ilaina. Governemanta tokony hamaha ny fitakiana eny amin`ny 13 mey no handray ireo raharaham-panjakana rehetra. Mipetraka kosa ny fepetra fa izay miditra ao anatin`ny governemanta dia tsy mahazo manao propagandy. Teknisianina ho an`ny fifidianana fotsiny no tokony handrafitra ny governemanta NTSAY. Raha ny lojika, ireo mihevitra ho kandidà ihany koa dia tsy maintsy mametra-pialana amin`ny andraikiny amin`ny maha minisitra azy raha toa ka voatendry amin`izany andraikitra lehibe izany. Marihana kosa fa ho hentitra ny fanaraha-maso amin`ity fifidianana ity.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT