Raha ny solombavambahoakan’ny fanovana dia 3 ny an’ny MAPAR, ary 2 ny an’ny TIM, izay tsy fantatra intsony ny isan-jatony, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa nandritra ny fivahinianany tao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 Fm omaly.
Ny HVM no tena nahatafiditra betsaka tao, ary ny fanabarabarana ny tolom-bahoaka izany, hoy izy. Minisitra efa naloan’ny mpiasa toy ny minisitry ny asam-panjakana Maharante Jean de Dieu, dia mbola afindra toerana hafa fotsiny. Tsy nisy HVM lany tao amin’ny antenimieram-pirenena, ary mazava ny didin’ny CES mitondra ny laharana 11-CES/AR.14 tamin’ny 6 febroary 2014, ka iny no tokony harahina amin’ny fitsinjaran-toerana sy ny firafitry ny governemanta. Ny filohan’ny repoblika no nanolotra sady nanendry izay ho minisitra, kanefa ny praiminisitra no tokony hanolotra ary hanendry ny anjaran-dRajaonarimampianina. Lasany avokoa ny minisitera mahasahana ny fiandrianam-pirenena, izay tokony ho nozaraina ho an’ny hery politika eo anivon’ny antenimiera. Tsy manaraka ny didin’ny HCC ny fananganana io governemanta io na inona na inona tenenina, ary na misy avy amin’ny depioten’ny fanovana aza ao dia tsy izay no zavatra notadiavina, ary tsy ny zavatra azo antenaina avy amin’io governemanta io, hoy izy. Tsy tokony ho hita taratra intsony ny famerenana ny olona efa naloa tao anatin’ny didin’ny HCC, raha ny fanazavany. Manabarabara ny vahoaka Malagasy sy ny olona nitolona. Miaritra tsindry fotsiny ny praiminisitra ary tsy afaka manohitra sy mandon-databatra, raha ny fanehoan-keviny. Nambarany teny an-kianja kosa fa nifanarahana ny fidiran’ny depiote miisa 5 avy amin’ny eny an-kianja ho ao mba hijery ny zava-misy ao, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Tsy mbola hiato ny tolona, ary nambaran’ity depiote ity, fa miombon-kevitra amin’izy ireo ny lehiben’ny antoko, ka raha ilaina ny hahatongavany eto dia hoentinay aty izy, hoy ity depiote ity. Havoakanay ny patroanay raha ilaina satria ianareo mihevitra ho mafy be, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Niantso ny MAPAR ihany koa izy hitondra ny azy. Na tiantsika na tsy tiantsika dia nisy olona tsy nitolona tafiditra ao. Loza ho an’ny firenena io, ary ompa ho antsika, hoy kosa ny depiote Tody Arnaud.
ENCADRE
Na ireo nandahan-teny nifandimby na ny vahoaka mpitolona dia samy hentitra omaly fa hihamafy ary tena hangotraka mihitsy aza tolona ho an’ny Fanovana.Tsy an’ny depiote sy ny mpomba azy ireo irery intsony fa efa tolona ho an’ny vahoaka Malagasy.Tsy miova ny tanjona fa dia Miala Rajao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.