Nantenaina ho “governemantan`ny fanovana” ny an’ny praiminisitra Ntsay kanefa mitohy ny tolona sy ny fitakiana amin`ny endriny samihafa ary tsy hita hatrany izay tena vahaolana.
Fanovana tokoa no tanjona saingy ny mpanao politika tsy hiray hina mihitsy kanefa fifidianana madio no andraikiny ankehitriny. Eo no hitarafana ny fahombiazan’ireo minisitra tafiditra ao anatin’ny governemanta saingy hita taratra fa misy amin`izy ireo no tsy “mahazaka rythme”, hoy ny fitenenana toy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Horace Gatien, sy ny minisitry ny paositra, Maharante Jean de Dieu. Korontana no misy hatramin`izao ary tsy misy vahaolana mihitsy. Manaboribory resaka no setriny. Tsy tokony ho vato misakana amin`ny fampahombiazana ireo minisitra ary tokony hiainga avy amin’izy ireo anefa ny fanajana izay ny fitsipi-pitondran-tena eo anoloan’ny asa. Andraindrain`ny maro ny fahaiza-manaon’ny praiminisitra Ntsay Christian ka andrasan`ny rehetra hamerina indray ny hasin`ny firenena Malagasy. Inona tokoa ny zava-bitan`ny governemanta hatreto ? Eo ny fandaniana ny LFR 2018, datim-pifidianana, fanovana ho loko mena ny takela-by misy ny laharan’ny fiarakodiam-panjakana. ao anatin’ny iray volana, fitsidihana ny faritra Antsiranana sy Menabe… Endriky ny fahaiza-mitantana sy andraikitra ankapoben`ny fanjakana ny amin`ny fiantohana ny fandriampahalemana sy ny ain`olombelona kanefa toa mifanohitra amin`izany no zava-mitranga amin`izao. Sanatria ve handrasana fotsiny ny fahasimban`ny firenena sy ny fahapotehany tanteraka izay efa misoritra eo anoloantsika ankehitriny ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.