Ry zareo avy eo anivon’ny AOCRM na ny fivondronan’ireo rafitra sivily ho fanarenana an’i Madagasikara dia nanamafy tetsy amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary omaly fa tsy
manaiky ny fitsanganan’ny governemanta Ntsay satria sady manitsaka ny zon’olombelona no manitsaka lalàmpanorenana ary manitsaka lalàna iraisampirenena. Notakiana teny an-kianja, hoy ny fanazavan’izy ireo, ny fialan’ny filoham-pirenena sy ny forongony kanefa ireo nitaky izany indray ankehitriny no lasa forongony ao anatiny ao miaraka amin’ilay filoham-pirenena notakiany hiala. Noho izany fanimbazimbana zom-bahoaka izany, hoy izy ireo, dia nanoratra tany amin’ny firenena mikambana izahay mba handray ny andraikiny. Nolazain’ny HCC fa tsy tafatsangan’ny filoha Rajaonarimampianina ny HCJ kanefa aiza ary ny fampiharana ny sazy mifandraika amin’izany, hoy hatrany izy ireo. Aoka samy hotsaraina daholo, hoy izy ireo, ireo nanao trafikana harem-pirenena tamin’ny taona 2003 no ho mankaty mba tsy hisian’ny tsy maty manota satria izay no tena atao hoe fampihavanam-pirenena. Tsy ny resaka hazo sarobidy ihany fa ny hafa rehetra koa toy ireny volamena 500 taonina ireny. Misy aza 25.000 taonina. Mila ravana haingana anefa ny governemanta Ntsay, ary soloina miaramila sy sivily fa raha tsy izany dia ra mandriaka no hitranga eto. Efa mandindona izany, raha ny fanazavana hatrany, ny mitranga ao Toamasina ankehitriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.