Sarotra ny hino fa lojika anaty fitondram-panjakana iray ny fisiana fanendrena olona miisa 70 dia misy 42 hafa indray avy eo herinandro aorian’izay.
Mampanahy aza fa mbola hisy fanendrena hafa indray koa anaty filankevitry ny minisitra amin’io herinandro ho avy io. Dia tsy azo atao mihitsy ve ny miezaka miara-miasa amin’ny efa eo aloha ao anatin’ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ity governemanta vaovao efa hifarana afaka volana vitsivitsy ity ? Ilay talen’ny kabinetra tsy maintsy hiova angamba mety ho ao anatin’izay lojika izay ihany fa voatery ovana toy izany ihany koa ve ny tale jeneraly sy ny sekretera jeneraly sy ireo talem-paritra isan-tsokajiny ? Hita ho lany andro amin’ny fanovana mpiara-miasa, araka ny efa nanampoizana azy fotsiny tokoa ity governemanta vaovao nasaina nanao izay hahatomombana ny fifidianana ity ary ahiana fa ho lasa sakana amin’ny firosoan’ny asa ny fandanian’andro manova ireo mpiara-miasa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.