Miroso amin’ny lalana mankany amin’ny fanatanterahana fifidianana ny governemanta tarihako, hoy ny ambentin-tenin’ny praiminisitra Ntsay Christian omaly teny Mahazoarivo, raha nampita vaovao fohy mikasika ny fihaonany
tamin’ny filohan’ny Ceni sy ny minisitry ny vola sy ny tetibolam-panjakana ary ny minisitry ny atitany teny amin’ny birao fiasany izy omaly tolakandro. Na inona na inona fanontaniana napetraky ny mpanao gazety taminy dia izay firosoana amin’ny lalana mankany amin’ny fifidianana no valin-teny voalohany nomeny. Ny fifidianana, hoy izy, no heverina fa lalana mahomby indrindra hivoahana amin’ny krizy eto amin’ny firenena. Na dia nandrasan’ny mpanao gazety fatratra aza izay mety hamoahan’ireto mpivory ny datim-pifidianana handrasan’ny rehetra dia nambaran’Atoa Ntsay Christian tamin’ny mpanao gazety fa tsy misy resaka datim-pifidianana anio fa tsy izay ihany akory no mahamaika antsika Malagasy fa mbola eo ihany koa ny resa-bola hanatontosana izany sy ny resaka fandriampahalemana ary ny fandrindrana asa ankapobeny mifandraika amin’izany ka tsy mandray soso-kevitra amin’ireto olona nivory niaraka tamiko ireto aho. Nanotrona azy fotsiny moa ireo olona voalaza tery ambony ireo fa tsy nisy navelany hamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety fa nambarany fa azy samy irery aloha ny famaliana ny fanontaniana tamin’io tafatafa teny Mahazoarivo omaly io. Raha somary itarina kely ny zava-nisy teny Mahazoarivo dia mazava ny nolazain’ny praiminisitra ny efa nambarany ombieny ombieny fa laharam-pahamehana ho an’ny governemanta tarihany ny fikarakarana ny fifidianana amin’ity 2018 ity fa sady manaraka tsara ny voalazan’ny lalàmpanorenana Malagasy izany no manaraka ihany koa ny didy navoakan’ny Hcc laharana faha-18 tamin’ny 25 mey 2018. Ny fankatoavany ny filohan’ny Ceni sy ireo minisitra anisan’ny notakian’ny mpitolon’ny fanovana ny hanoloana azy ireo niara-nidinika taminy dia midika fa tsy dia nasian’ny praiministra Ntsy Christian lanjany loatra izany hevitry ny etsy amin’ny 13 mey izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.