Nahatanteraka ny filankevitry ny governamanta voalohany natrehan’izy ireo teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly alakamisy 14 jona 2018 tolakandro ireo mpikambana ao amin’ny govenemantan’ny marimaritra iraisana tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian (tazana nivoaka avy tao amin’ny lapa Atoa Norbert Lala Ratsirahonana).
Nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian taorian’izay, raha nitafatafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny amin’ity lapa ity izy, fa nahafahana nandrindra ny ho fitantanana ny fitondrana ao anatin’izao savorovoro misy azy izao ity filankevitra voalohany ity. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny mikasika ny fanakianana mbola mahazo an’ity governemanta tarihany ity ataon’ny mpitolon’ny fanovana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny praiministra dia nanambara mazava fa : “Ny zavatra tsara holazaina amin’ny vahoaka Malagasy dia mila fitoniana sy fandraisana andraikitry ny isam-batan’olona tsy an-kanavaka isika raha tiana ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra izay tarigetrantsika. Tsy maintsy mifampihaino sy mifandefitra isika mianakavy, hoy izy, ka tsy hibanjina afa-tsy ny tombontsoan’ny Malagasy fa tsy ny tombontsoan’ny tena manokana. Izany no nanaovako antso avo tamin’ireo minisitra miaraka amiko sy hanaovako antso avo ho an’ny Malagasy rehetra ihany koa, ny mba hahaizan’izy ireo mihaino ny hafa hisian’ny fitoniana eto amintsika sy mba tsy hisian’ny valifaty na ny “chasse au sorcière” fa hisian’ny dinika sosialy eo amin’ny mpitondra sy vahoaka, eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa ka ao anatin’izany ny fiarahamonim-pirenena sy mba hampitony ny “climat des affaires Malagasy” ihany koa. Raha dinihana ny tenin’ny praiministra Ntsay Christian dia azo adika avy hatrany fa n’inona n’inona hitranga eny Mahazoarivo atsy ho atsy dia tsy maintsy izay voalazan’ny lalàmpanorenana sy ny didin’ny Hcc hatrany no harahin’ny rehetra eto amin’ity firenena ity. Havoakan’ny governemanta tsy ho ela ny datim-pifidianana izay ho filoham-pirenena rehefa avy mifampidinika amin’ny Ceni izy.
Mikasika ny fametraham-pialana nataon’ny talen’ny kabinetran’ny primatiora, Rakotozafy Andry Herizo, tamin’ny alarobia 13 jona teo kosa dia nambarany fa olona manampahaizana amin’ny asam-panjakana ity olona ity ka nanaja tsara ny “ethique” misy izy ka rehefa lany ho minisitra ny olona arahany dia naleony nisafidy ny lalan-karahana mba tsy hamingampingana ny governemanta sanatria.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.