Politique

Governemanta Nametraka ny minisitrany ihany koa ny HVM


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Nandeha ihany koa ny famindram-pahefana teo anivon`ireo minisitera sahanin`ny antoko HVM omaly. Nizotra tamin'ny an-tsakany sy an-davany ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, Razafimandimby Eric sy ny hisolo azy,

Atoa Ulrich Andriatina tetsy Anosy. Fikasan'ity vaovao ny hanohizana ny ezaka sy ireo tetikasa napetraka teo aloha. Nohamafisiny fa tsy maintsy atao izay fomba hanafainganana ny asa ao anatin`ny fotoana fohy. Ho an’ny eto an-drenivohitra hatrany, voalaza fa efa mifarana ny fanaovana tolobidy ho an’ny fanamboarana ny “rocade”. Hanomboka tsy ho ela koa ireo tetikasa iarahana amin’ny sinoa toy ny “La route des oeufs” any Mahitsy sy ny “Voie express” mampitohy ny By-pass amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny amin’ny Port Toamasina. Tonga nanotrona ny fifamindran-pahefana ny minisitry ny Harena ankibon`ny tany, Henry Rabary-Njaka sy ireo mpiara-dia amin`ny antoko HVM. Niroso tamin`izany ihany koa ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena ka nandray ny toerany ny minisitra vaovao Horace Gatien. Nambarany tamin`ny lahateniny fa misy ny fifampiresahana mandeha amin`ireo sendikan`ny mpampianatra manao fitakiana. Misy ireo azo valiana eo no ho eo fa misy kosa ireo tsy maintsy miandry fotoana. Nohamafisin`Atoa Horace Gatien fa laharam-pahamehana ny fanadinam-panjakana ka tsy maintsy tanteraka amin`ireo daty efa voatondro.  Maro ireo fampanantenana nataony. Nilaza kosa Atoa Paul Rabary fa afa-po nandritra ny fotoana nitondrany ka heveriny fa anisan`ny zava-bitany sy tokony hitohy ny fametrahana ny PSE na ny rafitra vaovao hitondrana ny fanabeazana eto Madagasikara. Niditra tamin`ny toerany ihany koa ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Harimisa Noro Vololona ka hanaraha-maso akaiky momba ny kolikoly mba hanatsarana ny tontolon`ny fitsarana. Anisan`ny nahazo hafatra ihany koa ireo mpitsara, ireo mpisolovava, ireo mpiraki-draharahan`ny Fitsarana ary  ny mpandraharahan`ny Fonja. Asa mafy no miandry azy ary vonona hanatanteraka izany raha ny nambarany. Fa nitondra ny zava-bita ny minisitra teo aloha. Betsaka ny zava-bita saingy mbola amin`ireo ihany koa ny asa tokony hotohizany. Efa maro ireo minisitera tantanan`ny antoko HVM no efa nanatontosa ny fifamindram-pahefana ka andrasana izay asa mivaingana ho vita ao anatin`ny fotoana fohy.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT