Mbola tena miasa tsara ny governemanta malagasy am-perinasa ankehitriny, hoy ny PM Jean Ravelonarivo raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy omaly.
Manaporofo izany ny nitohizan’ny filankevitry ny ministra sy ny filankevitry ny governemanta tamin’ny talata sy alarobia ireny taorian’ny niatrehana ny fifidianana teo iny. Betsaka ny resaka naely tetsy sy teroa mikasika azy iny fa vita izy iny ka nanam-bola izany ny fanjakana. Iangaviana isika mba hampahalala ny zava-misy marina sy tena izy fa tsy hifandramatra lava izao. Izany fanovana mambran’ny governemanta izany rehefa tonga ny fotoana hilana azy ho avy eo ihany fa mbola tsy fotoanany izao. Miangavy ny rehetra hiandry hampitoniana izay voka-pifidiana ho avy eo ary samy hanaiky izay vokatra hivoaka daholo. Ny fitondrana dia ny fahaizana mamaha ny olona izay misy. Raha ny mikasika ny « budget recapitulatif » indray dia « Wait and See » ny amin’iny, hoy ny PM Ravelonarivo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.