Tsy tamim-pisalasalana ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Gaby Vakiniadian, mpanao politika Sekretera jeneralin’ny VAMI, tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly
nilaza fa “ny mpitondra fanjakana tsy mahavaha olam-bahoaka, miala, tahaka izany koa ireo depiote malety tsy mahasolo vava marina ny vahoaka nifidy azy, miala !”. Fa tena anton’izao krizy eto amintsika ankehitriny, hoy izy, dia tsy misy afa-tsy io lalàmpanorenana natao tefimaika nofidiana tamin’ny alalan’ny karinem-pokontany io fa na ireo mpahay lalàna aza dia samy manana ny famakiany an’izany. Ka raha tiana hifampiresaka ny samy Malagasy, hoy i Gaby Vakiniadiana, dia ravao io lalàmpanorenana io. Aleo aloha hajanona ny fifidianana kaominaly fa mety hiteraka olana hafa indray, hoy izy, fa aleo manao fifidianana mpitondra mpanatanteraka sy mpanao lalàna vaovao. Azo atao tsara izany satria na tsy manao an’ireo fifidianana roa ireo aza isika dia ho lany ihany ny vola tokony hanatanterahana fifidianana eto amintsika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.