Niantso ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ny lahatenin’ny masoivoho Frantsay François Golblatt nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay omaly 14 jolay 2015 teny Ivandry
. Raha nalaza tamin’ny fitsabahana tamin’ny raharahan-tokantrano Malagasy ity ambasadaoro vahiny ity dia nionona fotsiny tamin’ny resaka toekarena ny kabariny. Nasongadiny manokana ny maha-zava-dehibe ny fanarenana ny lafiny ekonomika sy ny ady amin’ny fahantrana eto Madagasikara izay tsy dia mbola hita taratra loatra. Fotoana fandraisana andraikitra izao, hoy andriamatoa Goldblatt nandray ny andianteny nambaran’ny sekretera jeneraly lefitry ny firenena mikambana nandritra ny fivahinianany teto. Miandry ny mpitondra ny hanavao ny lafiny fitantanam-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny famongorana ireo karazana fanondranana tsy ara-dalàna takian’ny fampandrosoana ny vahoaka Malagasy, hoy ny tenany. Ny volana septambra ho avy izao aorian’ny fahatongavan’ny mpisolo toerana azy moa vao tena handao tanteraka an’i Madagasikara i François Goldblatt,izay hita ihany fa nalahelo noho ny namindran-toerana azy tampoka.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.